akaikin’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell, omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany. Raha araka ny fantatra dia avy any Ampitatafika Ratompokovavy ary nitaingina taxi-bisikileta mba hiala fitohanana. Ny tena mampalahelo anefa dia sady tsy mahay ny lalan’ny fifamoivoizana ireny mpitondra taxi-bisikileta ireny no tsy manana fitaovana hiarovana ny ain’ny mpandeha ihany koa nefa tena misisitsisika tsy mahalala izay hahafaty azy tokoa. Taorian’ilay kamiao izy ireo no fantatra fa nandeha. Rehefa nihemotra tampoka anefa ilay kamiao hoy ireo nanatri-maso dia niala ilay mpamily taxi-bisikileta. Nikopily avy hatrany ilay Ramatoa nentiny taoriana vokatr’izany ka notatazan’ny kodiaran’ilay kamiao raha naratra toraka izany ihany koa ilay mpamily taxi-bisikileta. Ny lohan-dRatompokovavy mihitsy moa no vaky raha ny fahitana azy tamin’ny sary. Nandriaka dia nandriaka tokoa mantsy ny ra. Avy hatrany dia notazonin’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily ilay kamiao raha nogiazana ihany koa ilay kamiao nentiny. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fitateram-bahoaka eto amintsika. Na ireo efa mahay ny lalan’ny fifamoivoizana sy manana aroloha toy ny taxi-moto aza mbola manao ny hataony, maika va fa ireo karazan’olona tsy nahavita fiofanana akory nefa avela hiriharira ohatra izao isan’andro eto an-drenivohitra milalao ain’olona. Andrasana ho firy ireo mamoy ny ainy vao hisy fepetra horaisina ?
Pati
Legende : Tahaka izao ny ra nijininika tamin’ny lohan’ilay vehivavy !
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto