airtel

Fifamoivoizana

21-déc-2022

Fifamoivoizana

Antsohihy-Ambanja “Alaina ao anatin’ny adin’ny 8”

Sample post image

Misy foana ny vahaolana raha mazava ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

21-déc-2022

Avy nandeha tany Ambanja ny tenako izao, hoy izy. Lalam-pirenena faha 6. Eo anelanelan’Antsohihy sy Ambanja, 180km, alaina ao anatin’ny adin’ny 8. 20 km isan’ora izany no lalana vita, raha atao ny kajy. Tsy nisy fijerena iny lalana iny izany nandritry ny taona maro. Mahagaga ihany hoe raha RN6, izay ao anaty “réseau structural” na mila fanamboarana no tsy hisy sora-bola ao anaty taona maro ny fanaovana ny fikojakojana azy. Amin’izao izany dia azo lazaina fa nisy sorabola tao fa nampiasaina amin’ny zavatra hafa na koa nipetraka ny sorabola fa nivily lalan-kafa ny enti-manana amin’ilay fikojakojana. Sora-bola amin’ny loharano avy ato anatiny amin’izao fotoana izao no mipetraka anatin’ny lalana mifehy ny tetibola. Na io sorabola io natao amoahana vola fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Manana kaompania fa tsy manana fiaramanidina ! Nakatona nanomboka omaly 01 mey

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’ny Digue Ampitatafika omaly hariva efa madiva ho alina

Card image cap
30-avril-2024

Tsy nijery fotsiny fa nanao ny adidy tandrify azy manoloana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambatofolaka,

Card image cap