Tsy mihemotra fa am-periny tanteraka amin'ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN 1 Bis mampitohy ny distrikan'i Tsiroanomandidy amin'ny Maintirano ny Fitondram-panjakana. Niainga omaly Alarobia 15 Jolay teto an-drenivohitra ireo fitaovana lehibe hanatontosana ny asa nahitana kamiao sy engins miisa 15. Toraka izany koa ireo tanora miaramila nahazo fiofanana momba ny asa fanamboaran-dalana izay handray an-tanana ny asa. Ireo point noir no hanombohana azy. Tafiditra tanteraka ao anatin'ny famerenana ny Jenia miaramila ny hetsika. Toraka izany koa ny hamelomana indray ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin'ny Faritra Melaky sy Faritra Bongolava izay nangina tanteraka vokatry ny haratsian-dalana. Taona maro no niainan'ny mponina izany hany ka nanjaka ny asan-dahalo. Nidangana ihany koa ny vidin'entana raha tanana maro no voatery nitoka-monina. Ho voavaha tanteraka izany amin'izao Fitondrana Fanavaozana izao izay miezaka manome lanja ny fifandraisana ary ny fifanakalozan'ny isam-paritra ho tombontsoan'ny Faritra andrefan'i Madagasikara.
Pati
Légende : Tena ratsy ny lalana miazo an'i Maintirano rehefa fotoam-pahavaratra !