airtel

Fifamoivoizana

27-juil-2022

Fifamoivoizana

Asa petatoko Mbola tsy manan-kery ny Madagascar Airlines

Sample post image

Ny 11 jolay 2022 no nandefa taratasy nakany amin’ny Tale Jeneraly lefitry ny Madagascar Airlines ny avy amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) noho ny fahitana zavatra tsy mitombona tao anatin’ny tranonkalan’io

27-juil-2022

kaompania nambara fa vao natsangana io. Raha ny hita tao anatin’ny tranonkala www.madagascarairlines.com mantsy, dia hoe: Kaompania nasionaly Malagasy teraka tamin’ny fampitambarana ho iray ny Air Madagascar sy ny Tsaradia io, teraka ny aprily 2022 io, miantsoroka ny fitaterana olona sy entana mivoaka sy miditra an’i Madagasikara. Notsiahivin’ny ACM, fa mbola an-dalana ny fangatahana ny “licence d’exploitation” na fahazoan-dàlana hitrandraka asam-pitaterana anabakabaka, ary ny dingana 3 amin’ny 5 ihany no feno hatramin’io fotoana nanoratany io. Raha ny voarakitry ny lalàna 2012-011 tamin’ny 13 aogositra 2012 mikasika ny lalàna Malagasy mifehy ny fifamoivoizana anabakabaka, tsy misy afaka manao asa fitrandrahana ara-barotra ny fitaterana anabakabaka amin’ny fampiasana fiaramanidina raha tsy misy ny fahazoan-dàlana na “licence d’exploitation aérienne” avy amin’ny ACM. Ao anatin’ny raharaham-pitaterana anabakabaka ho an’ny daholobe, ny “licence d’exploitation” sy ny “certificat de transporteur aérien” no mitambatra ahazoana ny “permis d’exploitation aérienne”. Mbola tsy azo antsoina ho Kaompania an’habakabaka, ary tsy mitombina raha amin’ny lafiny lalàna ny hoe: fiofon’ny Air Madagascar sy Tsaradia raha ny dosie eo am-pelantanan’ny ACM,… Isan’ny nampifanditra ny Minisitry ny fitaterana Rolland Ranjatoelina sy ny Filoha lefitry ny filankevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines Rtoa Rinah Rakotomanga moa ity raharaha ity. Ny minisitra izay nilaza fa hanakatona avy hatrany an’io saingy toa tsy tanterany hatramin’izao. Tonga hatrany amin’ny hoe: hitory sy hamongotra ny tontakely namotika ny Air Madagascar, saingy toa nangingina. Hatramin’ny 5 tapitrisa dolara nambaran’ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Tinoka Roberto ny novambra 2021 fa hanarenana fiaramanidina roa aza toa nanjavona. Isan’ny nametra-panontaniana momba io ny Minisitra ankehitriny saingy tsy hita izay niafarany. Nisafidy ny hangina sa nampanginina ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap