airtel

Fifamoivoizana

04-nov-2022

Fifamoivoizana

“Autoroute” Antananarivo - Toamasina Mandoa 15 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar isaky ny fiara

Sample post image

Vita sonia omaly alakamisy 03 novambra 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsonian'ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa Ejiptianina Samcrete hanamboatra ny lalambe migodana na "autoroute"

04-nov-2022

mampifandray an'i an'Antananarivo-Ambatondrazaka-Toamasina mirefy 260 km. 924 tapitrisa dolara ny sandany ka anjaran'ny Fanjakana ny 20% ary avy avy amin'ny mpiara-miombon'antoka ny 80%, hoy ny mpitondra. 15 taona no hamerenana ny volan'ny mpiara-miombon'antoka. Somary nihena io teti-bidiny io satria raha ny nambaran’ny Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika izay lasa Talen’ny Serasera ankehitriny Rtoa Lova Hasinirina Ranoromaro ny 16 janoary 2021, dia mirefy 285km ity lalambe migodana ity, ary mitentina 3 miliara dolara" ny sandan’ny fanamboarana azy. Nanambara ny Minisitry ny asa vaventy Atoa Jerry Hatrefindrazana teny Iavoloha omaly, fa afaka 2 andro no hapetraka ny vato fototra, 4 taona ny faharetan'ny asa, 80km no ho vita hatramin'ny faran'ny taona 2023. Nambara fa vahaolana manoloana ny fitomboan'ny fiara sy ny entana mifamezivezy amin'ny lalam-pirenena faha-2 ny fanamboarana ity lalambe migodana ity. Ho vita ao anatin'ny adiny 2 ora sy sasany ny 260km, raha toa ka adin'ny 7 ora no hanaovana izany ankehitriny amin’ny RN2. Maro ireo tombontsoa ho azo amin'ny fahavitan'ity lalana ity eo amin'ny lafiny ara-toekarena, ny fizahantany, hampihena ihany koa ny fandaniana solika sy famoahana entona mandoto tontolo iainana. “Ny fandaniana solika ho an’ny fiara manodidina ny 55L hihena hatrany amin’ny 25L ary, ny fiara lehibe mitondra entana mandany any amin’ny 124L dia ho lasa 80-87L izany », hoy ny Minisitry ny asa vaventy.

HANDOAVAM-BOLA
Hisy ihany koa ireo "stations de péage" hapetraka amin'ity autoroute ity ka ny vola miditra amin'izany ihany no hamerenana ny fanamboarana azy. Voalaza fa efa nahavita ny asa fanadihadiana moa ny orinasa Samecrete izay efa manana traikefa manokana amin'ny asa vaventy sy ny fotodrafitrasa goavana. Manomboka 15 000Ar eo ny sarany ho an'ny fiara madinika, 20 000Ar ho an'ny fiara lehibe toy ny kamio, rehefa vita ny "autoroute",... Zava-dehibe ary tena ilaina ity fotodrafitrasa ity, ka irariana ny hahavitany tokoa. Vita aloha izany ny sonia, fa ny fanombohana sy fanatanterahana ny asa no hojerena manaraka satria efa betsaka ihany koa izay tetikasa nanaovana sonia sy nanaovana hetsika goavana sy serasera izay, raha tsy hilaza ny: tramway izay efa nolazaina tamin’ny tetezamita fa efa any anaty sambo, orinasa fanamboarana ethanol any Ambilobe izay tototry ny bozaka hatramin’ny vato fototra, pole urbain ao Fianarantsoa, orinasa fanamboarana fiara Gasycar,... Ny mampiavaka an’ity fotsiny dia tetikasa efa noketrehina tany aloha ity, efa hatrany amin’ny Repoblika faharoa, tamin’ireo filoha telo farany nifanesy,… ary tsy vao sambany no nisy fanadihadiana na “étude” fa efa natomboka tamin’ireo fanjakana teo aloha, fa amin’izao fitondrana izao no hanomboka, raha tsy misy ny sampona. Nanotrona ny lanonana omaly ny Filoha mivady sy ny olom-panjakana sy olom-boafidy samihafa akaiky ny fitondrana.

Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap