Tsy nitsitsy intsony fa voatery niditra tamin'ny fisamborana ireo bajaj manao amboletra miasa ao amin'ny distrikan'Antsohihy omaly Alahady 19 Jolay ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny fantatra mantsy dia minia manao tanàna tsy misy fanjakana ny tompon'ireo bajaj ireo ka nahasahy nanome fe-potoana 48 ora ho an'ireo tompon'andrakitra mba hiasan'izy ireo. Niasa avy hatrany izy ireo omaly ka nifanome tanana ny Polisim-pirenena sy ny zandary ary ny miaramila nanao ny asany. Tsy nanaraka ny lalàna sy lamina napetrak'ireo fanjakana ao Antsohihy mantsy izy ireo ka voatery naiditra ambalam-pamonjana na fourrieres ireo izay tratra. Maromaro izy ireo. Mbola mitsahatra aloha araka izany ny asan'ireo bajaj ao an-tampon-tananan'Antsohihy mandrapisian'ny fandaminana vaovao. Tsy mbola misy mañana taratasy fahazoan-dalana mantsy izy ireo. Tsy maintsy mbola miaina amin'izay mpitatitra misy araka izany ny mponina na dia mahatsiaro ho sahirana aza.
Nangonin'i Pati
Légende : Tsy misangy ny mpitandro filaminana eto Antsohihy