airtel

Fifamoivoizana

11-avril-2023

Fifamoivoizana

Bealanana Nifandona ny mpitondra taxi brousse sy ny Bajaj

Sample post image

Nifandona mafy ireo mpitondra taxi brousse sy mpitondra bajaj tao an-tampon-tanànan’i Bealanana ny alahady lasa teo.

11-avril-2023

Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia efa nifarana tamin’ny 30 martsa teo ny fe-potoana farany hahafahan’ireo bajaj mampiasa ny lalana fahelan’ireo taxi brousse ireo toy ny miazo an’Antanambolo any amin’ny lalam-pirenena faha-31. Tsy nanaiky anefa izy ireo ny faran’ny herinandro teo fa mbola nanao dihi-doha ihany nanenjika ireo mpitsangatsangana sy olona nivezivezy tany amin’iny faritra iny ka tezitra mafy ireo mpitondra taxi brousse. Voatery nantsoina nandamina ny raharaha noho izany ireo mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin’ny OMC any an-toerana ka niravona ihany ny disadisa. Nanambara moa ireo mpitondra taxi brousse fa tokony hanaja ny lalan-kalehany amin’izay manomboka ireo bajaj hisorohana ny fifandonana mety hisy tahaka izao. Samy vola mantsy no tadiavina kanefa lasa mifamono izy ireo rehefa tsy mahay mifandamina.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap