Izay no azo ilazàna ny fiara-fitateram-bahoaka nampidirin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Naina Andriantsitohaina, teto an-drenivohitra, izay efa tamin’izany fotoana izany no tsy naharesy lahatra ny mponin’Antananarivo, raha tsiahivina ny ankamaroan’ireo fanehoan-kevitra. Nony tafiditra moa dia volana vitsivitsy ihany avy eo dia niha nanjavona tsikelikely tanatin’ny ankamaroan’izy ireny ny fahitalavitra, ny Wifi, hatramin’ny seza aza niha rotika tsikelikely. Tsy misy maha samihafa azy amin’ny taksibe mahazatra mihitsy intsony taty aoriana. Ireo fiara fitateram-bahoaka mahazatra sasany, taingenana amin’ny sarany 500 Ariary sy 600 Ariary sasany aza mbola mety ahitàna ny sasany amin’ireo heverina hoe haitraitra na «confort» nampilendalendain’iny ben’ny tanàna iny tamin’izany fotoana izany. Misy tsy voasokajy ao anatin’io antsoina hoe «Bus class» io nefa misy fahitalavitra ao anatiny. Ilay tena nantsoina hatramin’ny taona 2019 hoe «Bus class», taingenana amin’ny sarany 1500 Ariary, kosa, amin’izao fotoana izao, dia efa tena izay mihitsy hoe anaran-tsy very tanteraka sisa, raha ny hita!
J. Mirija