Fiara kely iray somary nandeha mafy no nisongona ny fiara teo alohany kinanjo nifanehitra tamin’ny fiara 4x4 tsy mataho-dalana tampoka. Niezaka ny niala izany ny mpamilin’ilay fiarakely kinanjo nidofotra tany amina kamiao iray lehibe indray. Vokany, olona iray tao anatin’io fiara kely io no namoy ny ainy. Nentina namonjy hopitaly izy nandritra izany na dia teo aza ny fahasimban-javatra saingy tsy nahavotra ny ainy intsony ny zava-niseho. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia olon-dehibe nipetraka teo aloha anilan’ny familiana an’ilay fiarakely io namoy ny ainy io. Tsiahivina hatrany moa fa olona 10 isan’andro no mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao. Avy amin’ny olana ara-teknika mahazo ilay fiara ny 80% niteraka ny loza raha avy amin’ilay mpamily kosa ny 20%. Tsy tokony handeha mafy araka izany ny mpamily rehefa mahazo familiana. Tokony hitandrina ihany koa rehefa hisongona na dia tsara aza ny lalana fa ny tampoka tsy mahalehilahy.
Nangonin’i Pati
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto