airtel

Fifamoivoizana

26-janv-2026

DISTRIKAN'I BETAFO

Mitohy ny asa tana-maro hanamboaran-dalana

Sample post image

Mitohy ny hetsika fanaovana asa tana-maro

26-janv-2026

izay tarihin'ny depiote Livasoa tanterahina ao amin'ny Kaominina Ambatonikolahy Ny faran'ny herin'andro teo dia lalana 12 kilometatra no nanaovana fikojakojana mampitohy ny Kaominina Ambonivohitra Betafo sy Kaominina Ambanivohitra Ambatonikolahy amin'ny tapany avaratra amin'ny anjaran'ity Kaominina farany ity. Vahoaka maro no tonga niaraka tamin'ny fitaovana toy ny (angady,harona, pelle,...) izay mian-dahy miam-bavy mihitsy. Tao anatin'ny faharisiham-po tanteraka ny vahoaka.Izao tokoa ilay fanovana dia ny amin'ny fampandraisana andraikitry ny olona eny ifotony ny amin'ny fikojakojana ny fanana iombonana. Fantatry ny vahoaka ny fanovana sy fiovana ary iaraha-mahalala fa misy ny asa fohy ezaka ary misy ny lavitr'ezaka ny amin'ny fanarenana ny firenena. Vonona mandrakariva ny vahoakan'ny Distrikan'i Betafo miaraka amin'ny depiote Livasoa hiara-hiezaka hanarina ny tanindrazana iombonana amin'ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana. Isaorana ny Faritra Vakinankaratra ny amin'ny fanomezana ny Vary ho tambin'ny fanaovana asa tana-maro toy izao satria tena mifanandrify amin'ny zava-misy eny ifotony dia ao anatin'ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra izany ka tena zava-dehibe ny fanomezana tosika toy izao. Nanamafy ny fangatahana ny hanampina ny vary ho an'i Distrika Betafo moa Depiote Livasoa satria maro ireo lalana ilaina fikojakojana toy izao any amin'ny Kaominina hafa ka ilaina asa tana-maro toy izao. Manamafy ny fangatahana fanampiana avy amin'ny amin'ny fitondram-panjakana raha mbola misa azo hatao ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra.
Pati Légende
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap