airtel

Fifamoivoizana

07-déc-2022

Fifamoivoizana

Fahafaha-mampiasa lalana etsy Isoraka Mahatsiaro fitongilanana amin’ny vahiny ireo mponina

Sample post image

Ireo milaza fa mpanao lalàna dia mahagaga fa dia tsy mahafantatra izany atao hoe lalàna akory satria mampihantra izany amin’ny hery fitongilanana amin’ny madinika ary manome vahana ny vahiny,

07-déc-2022

hoy ny fitarainan’ireo mponina etsy Isoraka omaly manoloana ny tranga miseho eny an-toerana. Raha ny lalàna dia tsy azo ekena ny fampiasana ny «trottoir» ho an’ny fivarotana, hoy ny fanazavana. Samy mampiasa izany avokoa anefa eo na ny vahiny na ny malagasy. Voakorontana, hitondrana kamiao, rahonana ireo malagasy ety an-toerana ary alaina an-keriny ny entany fa ireo vahiny kosa dia tsy misy sahy mikitika nefa ny eo amin’ny tandrify ny toeran’izy ireo aza dia tsy misy lalana andehana mihitsy fa tsy maintsy maniraka amin’ny arabe ny olona, hoy ny solotenan’ireo mponina. Manao antsoavo ireto mponin’Isoraka ireto ny mba hampitoviana ny rehetra satria tsy misy ny ambon’ny lalàna fa ny lalàna dia natao ho an’ny olon-drehetra, hoy izy ireo. Ankoatra izay dia maro ihany koa ireo velon-taraina momba ny vola mihoam-pampana alaina amin’izy ireo ka mangataka ny ben’ny tanana izy ireo ny mba hijery akaiky izany satria misy ireo ao ambany fahefany sy ireo mpiasan’ny kaominina no manao fanamparam-pahefana. Eo ihany koa ny resaka “trottoir’’ izay hangatahan’izy ireo ny hanamboarana izany satria tamin’ny andron’ny fanjanahantany no nankaty dia tsy mbola nisy mihitsy ny fanamboarana azy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap