airtel

Fifamoivoizana

09-janv-2023

Fifamoivoizana

Fahapotehan’ny lalam-pirenena Rotika hatramin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra

Sample post image

Rotika hatramin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra na “trottoir” ankehitriny ny lalana eto Madagasikara, raha ny hita amin’iny lalam-pirenena faharoa na RN2 iny,

09-janv-2023

manoloana ity faharotehan’ny lalam-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao ity. Zary toy ireny vakoka rotiky ny ady mirakitra tantara ireny sisa ny fahitana azy, raha ny hita amin’ireo sary ampitain’ireo mpanara-baovao hatreto aloha. Lasa vazivazy zaritenany moa ilay fitenenana hoe mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona. Mahasorena ny maro kosa ny miheritreritra mahita izany rehetra izany hoe izao ve no mba valimbabena tamin’ireo hetra naloha hampandehanana ny raharaha eto amin’ity firenena ity sy ny nandaniana ireo mpitondra mihitsy? Ho an’ireo mpampiasa lalana moa, araka ny efa natsidiky ny mpanao politika iray izay, dia misy ny hetra alaina amin’ny solika lanin’ireo mpampiasa azy ireny kanefa dia izao izany no tamberin’andraikitra mba haterany. Misy koa ilay antsoina hoe hetra mivantana sy tsy mivantana, hoy ny fanazavan’ireo manam-pahaizana, satria na mividy borosy nify eny amin’ireo tsena madinika aza ny olompirenena iray dia efa mandray anjara amin’ny fandoavan-ketra noho iny tsena iny mandoa hetra mivantana na koa hoe mandoa “ticket”, hoy ny filaza azy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap