airtel

Fifamoivoizana

21-juil-2025

Faharatsian’ny lalana

Tsy tafakatra ny renivohitra ny arina fandrehitra

Sample post image

Mikaikaika koa amin’izao fotoana izao ireo mpisehatra amin’ny

21-juil-2025

fivarotana arina fandrehitra na saribao manoloana ny faharatsian’ny lalana, raha ny fampitàm-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Tsy tafakatra aty Antananarivo hatramin’izao, hoy ny mpisehatra iray, ny entanay. Antony, hoy izy, ny faharatsian’ny lalana, izay tena mampanano sarotra ny famoahana ireo entana miakatra ny renivohitra. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny vidiny atolotra ny mpanjifa, noho izany, ny zava-misy satria vitsy ny tolotra nefa maro no mitady ilay saribao, noho izy hany sisa azo ihoriranana mihoatra amin’ireo fitaovana hafa azo hanamasahana sakafo. Efa manodidina ny 4 alina Ariary ankehitriny ny vidin’ny saribao 1 gony, ho an’ireo amidy eto an-drenivohitra, raha toa ka 3 alina Ariary no nanafarana izany tany amin’ny 1 volana lasa tany, raha ny fampitàm-baovaon’ireo mpisehatra na mpivarotra izany eto an-drenivohitra hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

Card image cap
28-avril-2026

Amboarina ny lalana ao amin'ny

Card image cap