airtel

Fifamoivoizana

05-janv-2024

FAHATAPAHAN’NY RN7

Tsy misy saran-dalana miakatra izany

Sample post image

Tapaka ny lalam-pirenena fahafito mampitohy an’i Fianarantsoa syToliara.

05-janv-2024

Izany dia vokatry ny voina nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza Alvaro nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izay niditra tao Morombe, raha tsiahivina, ary nampitondra faisana faritra maro. Hisy araka izany ny fanamboarana io lalana io izay efa nanomboka omaly Alakamisy 04 Janoary tamin’ny 09 ora maraina ary tsy hisokatra raha tsy amin’ny Sabotsy 06 Janoary ho avy izao. Na izany aza raha araka ny fanadihadiana natao tetsy anivon’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana dia tsy misy ny fiakaran’ny saran-dalana. Ny mpandeha no hifanakalozana hoy izy ireo rehefa tonga eo amin’ilay lalana tapaka. Ho an’ny avy eto Antananarivo ohatra dia ao Fianarantsoa no mandray fiara hafa mankany Toliara indray ireo mpandeha, raha saran-dalana toy ny mahazatra ihany no alohany any am-potony. Ho an’ireo mpandeha avy any Toliara indray dia eo Fianarantsoa izy ireo no raisin’ireo taxi-brousse miazo an’Antananarivo, raha any am-potony ihany koa no mandoa ilay saran-dalana toy ny teo aloha izy ireo. Izany no natao hoy ny tompon’andraikitra dia ialana amin’ny fanararaotana ny mpandeha mety hitranga. Tsiahivina moa fa manodidina ny 70.000 Ar eo ho eo ny saran-dalana miazo an’i Toliara amin’izao fotoana izao raha 35.000 Ar ny miazo an’i Fianarantsoa.
Pati
Legende : Tsy miakatra izany ny saran-dalana miazo an’i Toliara !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap