airtel

Fifamoivoizana

13-mai-2024

Lozam-pifamoivoizana tao Vohiparara

Nahatratra 26 ireo naratra

Sample post image

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

13-mai-2024

no tra-doza tao Vohiparara , tokony tamin'ny 5 ora maraina raha nikasa ho any Betafo. Nahatratra 26 isa ireo naratra vokatr’izany raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. Voatery nentina tao amin'ny Hopitaliben’ny CHU Tambohobe avokoa izy 26 mianadahy ireo notsaboina noho ny ratra nahazo azy. Raha araka ny fantatra mantsy dia nisy ny tapaka…. Noraisin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny lany rehetra tamin’ny fitsaboana hatramin’ny omaly raha araka ny loharanom-baovao azo. Vokatry ny olana tamin’ilay fiara moa no antony nahatonga ny loza ka nandratra azy 26 mianadahy mpianatra ireto. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nitranga tao Vohiparara omaly ity.
Pati
Legende :Nandritra ny fandraisana an-tanana ireo naratra !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito

Card image cap
17-avril-2025

Potika tanteraka ny lalana etsy Ankadilalana Ampitatafika raha avy any Vinany,

Card image cap