airtel

Fifamoivoizana

05-déc-2022

Fifamoivoizana

Fahavitana sy fitokanana ny RN44 Tara herintaona, hiandrasana akaiky fifidianana

Sample post image

Ny volana jona 2023 no hotokanana ny làlam-pirenena faha-44 raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Talata Volonondry ny sabotsy teo.

05-déc-2022

Raha efa vita tanteraka ny ampahany Marovoay-Amboasary, dia voafaritra fa ny 13 oktobra 2020 kosa no nanombohan’ny ampahany faharoa PK 60 hatramin’ny PK 133 mampitohy an’Amboasary sy Vohidiala, ary 24 volana ny faharetan’ny asa, voasoratra mazava fa ny 13 oktobra 2022 no mifarana. Izay no voarakitry ny fifanarahana tamin’ny CRBC (China Road and Bridge Corporation), saingy mbola miandry amin’ny jona indray izany, vao tena ho vita matoa miandry an’izany ny fitokanana. Nisy fotoana toa nikatso ny asa, nipetra-potsiny ireo fitaovana. Inona no anton’ny fahatarana? Sa efa kajikajy vita mba ho any akaiky propagandy vao hotokanana? Na izany na tsy izany, irariana ny hahavitan’ity RN44 ity hatramin’ny farany satria efa hatry ny ela no nanirian’ny olona ny hahavitany manontolo, taorian’ny fahavitan’i Moramanga-Marovoay tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap