Taorian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika moa nipoiran’ity resaka ity rehefa nandeha ny adihevitra momba ny fiakaran’ny saran-dàlan’ny taksibe. Ny Filoham-pirenena mivantana no niresaka sy nampanantena ity tetikasa ity, ary efa noresahina tany anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. 80 tapitrisa Ar eo ny iray amin’izy ity. Rehefa nanontaniana kosa ny mpandraharaha sasany amin’ny sehatry ny fitaterana dia tao ny gaga sy sanganehana hoe: fa ahoana marina ny fandehany? Voalaza mantsy fa dia mila mandoha vola aloha izy ireny izay vao mandeha ny kaomandy. Rehefa zohiana izany, ireo mpandraharaha no harisika hamoaka vola sy hiditra amin’ilay fandraharahana hampiasa ity karazana fiara be ity raha noheverina fa ny Fanjakana no hividy sy hifanaraka amin’izy ireo amin’ny famerenana tsikelikely? Ny mpandraharaha izay resy lahatra no hamoaka vola dia ny Fanjakana no hirehareha ka ny zava-dehibe dia ny hoe: ireo fa misy tokoa ilay bus be? Hatreto, tsy mbola tena misy tokontaniny firy ity fanafarana ity ka asa hoe: ho tonga mialohan’ny faran’ny taona tokoa ve satria 38 andro sisa dia hifanarana ny taona 2022? Mbola baraingo ihany koa ny resaka fotodrafitrasa sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo ankoatra ny hoe: tena mifanaraka amin’ny Renivohitr’I Gasikara ve ity endrika fitateram-bahoaka iray ity? Ny làlana mbola maro no tsizarizary hatreto, ny fitohanana ankehitriny manao ny ataony noho ny tsy filaminan’ny tanàna.
Toky R
Fiara tsy mataho-dalana miloko fotsiny no nifatratra teny an-tanimbary omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora