tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Fifamoivoizana

Fampirantiana jiro eny Antaninarenina Amin’ny 03 janoary 2023 vao hisokatra ireo lalana tapaka

Ankoatra ny hazo Noely dia anisan’ny manamarika ny fetin’ny Krismasy tahaka izao ny fisian’ireo karazana jiro mandravaka ny tanana.

20-déc-2022

Sample post image

Ho an’ny etsy Antaninarenina manokana dia efa nanomboka tamin’ny herinandro teo ny fandravahana ireo zava-maniry sy hazo misy eny an-toerana raha efa nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo kosa ny fahatongavan’ny olona naka sary teny an-toerana. Toraka izany ihany koa ny fahafahan’ny rehetra mijery izany jiro izany raha vantany vao manomboka ny amin’ny 06 ora hariva. Voatery nandray fepetra mifanaraka amin’izany araka izany ny kaominina Antananarivo renivohitra ho fanomezan-danja ity fampirantiana jiro karakarain’ny fiadidian’ny Repoblika ity. Amin’ny 03 janoary 2023 ho avy izao vao hiverina hisokatra ireo karazan-dalana notapahana nanomboka tamin’ny Zoma. Anisan’ireny ny eny amin’ny avenue revolisionera sosialista manoloana ny banky BFV, Ambohitsirohitra, ny lalana Rainilaiarivony, manoloana ny hotely le Louvre sy ny ministeran’ny toe-karena sy ny vola, ary ny lalana Ratsimilaho manoloana ny paositra sy ny buffet du jardin izay samy eny Antaninarenina avokoa. Tsy maintsy mitady toeram-piantsonana hametrahany ny fiarany araka izany ireo fianakaviana hitondra ny zanany hijery jiro eny an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mandraka – RN2 Fiara be nivadika, nanapaka ny fifamoivoizana
27-mars-2023

Nanapaka tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny RN2 eny Mandraka indray ilay fiara « camion »

Voir plus