airtel

Fifamoivoizana

26-avril-2024

Fanahazam-bary amin’ny lalam-pirenena

Nohamafisina fa voararan’ny lalana

Sample post image

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

26-avril-2024

Ankoatra ny lalam-baovao miazo an’Ambohitrimanjaka iny dia rakotra izany ny lalam-pirenena fahafito, antony manosika ny mpitandro ny filaminana handray ny andraikiny hisorohana ny loza mety hitranga. Nambaran’izy ireo fa natokana hivezivezen’ny mpampiasa lalana sy ny fitateran’entana ny lalam-pirenena. Natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana noho izany diav oararan’ny lalana sy mahavoasazy ny manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ny sisin-dalana. Voarakitra ao anatin’ny hitsivolana faha-60-166 tamin’ny 03 oktobra 1960 ny tsy fahazon-dalana manao izany. Tsy azo ampiasaina ny sisiny 20 ka hatramin’ny 30 metatry ny lalam-pirenena sy ny lalam-paritany mba ho fiarovana ny lalam-pirenena misy eto Madagasikara, sy hanamafisana ny filaminana eny amin’ny lalam-pirenena. Toraka izany koa ny fiarovana ny ain’ireo olona mipetraka manamorona ny lalam-pirenena. Miantso ireo tantsaha tsy hanaha vary eny amin’ny sisin-dalana sy ny lalam-pirenena intsony noho izany ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Fady sy tsy azo hatao mihitsy ny manahy vary amin’ny lalana tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Hatezerana ny an’ny mpandraharaha iray ny zoma teo rehefa nolazaina fa foana ny zotra tokony

Card image cap
06-mai-2024

Efa amam-bolana izao no mitodika amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ireo foto-drafitrasa misy

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra dimy isan-kerinandro raha kely ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitaingenana

Card image cap