airtel

Fifamoivoizana

14-sept-2021

Fifamoivoizana

Fanalefahana ny fitohanana Hidina ifotony hitety ny renivohitra ny polisy

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.

14-sept-2021

Tsy misy izay toerana tsy ahitana izany na andro na alina. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hifanome tanana ny polisim-pirenena sy ny polisy kaominaly ary ny fiaraha-monim-pirenena entina hamahana izany. Hanomboka ny 14 septambra ho avy izao ny hetsika izay hitetezana ireo Boriborintany miisa 6 mihitsy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika hataon’izy ireo ny fanitsiana sy fampianarana ireo mpamily mihoam-pefy ka hanoroana azy ny lalana mifehy ny fifamoivoizana. Toraka izany koa ny gaboraraka etsy sy eroa ka hijerena indray ireo parking nipetra-potsiny hatramin’izay hahafahan’ireo fiara miantsona etsy sy eroa maka ny toerany. Izany no hatao moa dia entina hisorohana ny fahataran’ny mpianatra sy ny mpiasa handeha hamonjy ny sekoly sy ny fianarana. Ho voakasika avokoa moa ireo faritra menan’ny fitohanana eto an-drenivohitra toy ny Ampasamadinika, Antanimena, Ankadimbahoaka miazo an’i Tanjombato.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap