airtel

Fifamoivoizana

05-déc-2022

Fifamoivoizana

Fanamboarana “autoroute” Manjavozavo ny aorian’ilay 80 km

Sample post image

Tontosa ny sabotsy 3 desambra 2022 lasa teo ny fametrahana ny vato fototry ny lalambe migodana na «Autoroute» mampifandray an’Antananarivo Toamasina, nataon’ny Filoham-pirenena sy ny ekipany teny Talata Volonondry.

05-déc-2022

Mirefy 265km io, 4 voies na fiara efatra no afaka milahatra eo aminy, hisy toeram-pandajana fiara miisa 6, toerana fakana aina na « aires de repos » miisa 3, fitaovana fanaraha-maso manokana tahaka ny caméras, radars, jiro, ary fitaovana fanisana fiara sy fitaovana manaitra eo anatrehan’ny loza na toe-javatra tsy ampoizina. Hisy ihany koa ny fifanapahana iray eo amin’ity lalàmbe ity sy ny lalàmpirenena faha-44. Hiainga etsy Akorondrano, Tsarasaotra, Sabotsy Namehana, Ambohimanga Rova, Talata Volonondry, Anjozorobe, Andaingo, ary miazo an’i Toamasina ity lalàmbe ity. Raha hiverenana, 924 tapitrisa Ar no voalaza fa sandan’ny fanamboarana azy ity, araka ny fampahafantarana nandritra ny fifananaovan-tsonia natao teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 03 novambra lasa teo. Ny Fanjakana no handray an-tànana miainga amin’ny famatsiam-bola madiodion’ny Fanjakana ilay 80km voalohany ilay ambara fa ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023, raha toa ka mpiara-miombon’antoka hafa no hanohy ny ambiny, toy ny Afrexim Bank. Raha ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison tany amin’ny volana jona 2022 dia manodidina ny 301 miliara Ar eo no haompan’ny Fanjakana amin’io andiany voalohany io, izay manodidina ny 75 tapitrisa dolara io raha havadika vola vahiny. Maharitra 4 taona moa ny nambaran’ny Fanjakana fa faharetan’io. Rehefa zohiana, tsy mbola tena misy tokontaniny izany ny famintana ny 185 km ambiny, ary nandritra ny fifanaovan-tsonia teny Iavoloha ny 3 novambra rahateo, dia ny Minisitry ny asa vaventy no nanao izany fa tsy ny Minisitry ny toakarena sy ny vola. Ny an’ny Afreximbank tsy mbola misy soniam-pifanarahana mazava fa hoe : vonona hamoaka sy hampindrana 200 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara amin’ny fabamboarana an’io. Raha atao hoe : efa azo antoka izany io 200 io, miampy ny 75 eo avy amin’ny Fanjakana dia manome 275 tapitrisa dolara, izany hoe : mbola mila mitady 649 tapitrisa dolara eo. Raha raisina amin’izany, mbola manjavozavo tanteraka ny famatsiam-bola hahavitan’ity « Autoroute » ity tanteraka, ary raha tsy ny fitondrana ankehitriny intsony no ho eo aorian’ny 2023, dia mety tsy ho resaka fitohizan’ny raharaham-panjakana ny famitana azy, fa tena vao fikotrehana sy fitadiavana paikady hoenti-manatontosa azy mihitsy. Nilaza i Andry Rajoelina fa tsy ao anatin’ny voambolany ny hoe : ny azy tsy misy an’izany « impossible » izany fa tanteraka rehefa manam-pinoana. Na izany aza : efa tamin’ny tetezamita izy no nilaza fa efa any anaty sambo ny tramway, hanangana ozinina mpamokatra simenitra,… Tamin’ity fitondrana ity : ny « voie rapide » 10 km tao Toamasina aza efa ny 18 martsa 2019 ny nametrahany vato fototra, ny RN13 nametrahana vato fototra fa tsy voafaritra ny fotoana hahavitany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Hatezerana ny an’ny mpandraharaha iray ny zoma teo rehefa nolazaina fa foana ny zotra tokony

Card image cap
06-mai-2024

Efa amam-bolana izao no mitodika amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ireo foto-drafitrasa misy

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra dimy isan-kerinandro raha kely ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitaingenana

Card image cap