airtel

Fifamoivoizana

12-mai-2023

Fifamoivoizana

,Fanamboarana Autoroute Tonga ny fitaovan’ilay orinasa SAMCRETE

Sample post image

Nigadona tao Toamasina tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ireo fitaovana vaventy (engins) an'ny orinasa SAMCRETE entina hamitàna ny autoroute mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.

12-mai-2023

Andiany voalohany ireto tonga ireto ary niainga tao Toamasina ny alarobia teo ireo fitaovana ireo, mandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa ka alefa any Talata Volonondry. Manaraka izany dia reetra izany ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena no sady miaro ny fitaovana. Ny 3 desambra 2022 no nambara fa manomboka ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mirefy 260 km, afaka vitaina ao anatin’ny 2 ora sy sasany. Miainga eo Tsarasaotra ity « autoroute » ity ka mandalo an’i Sabotsy Namehana, Ambohimanga Rova, Talata Volonondry, Anjozorobe, Andaingo, Ambatondrazaka, Toamasina. Raha ny resaky ny filohan’ny Antenimierandoholona izay avy nihaona tamin’ny masoivohon’i Ejipta eto amintsika dia miroso tsara ny asa fanamboarana ity « autoroute » ity amin’izao fotoana ary maro ireo teknisianina sy mpiasa avy any Ejipta no tonga eto Madagasikara.Ny fanamby napetraka moa dia ny hoe lalana 83 km no vita hatramin’ny faran’ny taona 2023. Ny somary mahagaga kely dia volana desambra no efa hoe raikitra ny asa ary lanonam-be tsy nanampaharoa no tany Talata Volonondry, nahoana anefa no aty amin’ny tapaky ny volana mey 2023 vao hoe tonga ny fitaovan’ny orinasa Samcret…mba mahalasa saina ihany.


• Autoroute Antananarivo Toamasina : 260 km
• Tetibola :924 tapitrisa dolara
• Fahavitan’ny asa : taona 2026
• Vola aloa eo amin’ny péage : 15 000 ka hatramin’ny 20 000 Ariary

RTT
 

Dans la même rubrique