ny alarobia teo tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ity làlana ity izay nambarany fa tena nanaovany velirano ny hanamboarana azy, ka nilazany fa efa vita tanteraka. Ny zava-dehibe aloha dia ny fahavitany, fa mbola azo hiadian-kevitra kosa ny hoe: tena ny Fanjakana Rajoelina tokoa ve no angady nananana sy vy nahitana azy io sa noho ny ezaky ny fitondrana tany aloha fa tao anatin’izao fitondrana izao no tena nandeha ny asa noho ny fitohizan-draharaham-panjakana. Samy nandray anjara tao anatin’ny fahavitan’ny RN44 ihany koa ireo Fanjakana nifanesy satria tany alohan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 no efa nandeha sy vita ny ampahany Moramanga-Marovoay, ary io nitohy taty aoriana io. Ao anatin’izao fifaranan’ny taom-piasan’Atoa Andry Rajoelina izao no handeha ny fitokanana, nisy ny asa vita, fa mbola misy ihany koa anefa ny tambin’ny asa samihafa ataon’ireo mpandraharaha nanao asa tao Alaotra Mangoro. “Telo taona ny asa vita ny vola tsy azo”, “Prezida a! mangataka izahay mba avoahy ny volanay fa maty izahay”, hoy ireo mpandraharaha nanana asa tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Tsy ny any Alaotra ihany, fa niaraha-nahalala ny fitakiana nataon’ireo orinasa mpisehatra tamin’ny asa vaventy an-taonany nitaky ny volany, izay tena nandadilady tamin’ny Fanjakana. Betsaka ireo mpandraharaha tena nikolay tamin’ny fisitrahana ny vola tambin’ny asa nataony raha ny tamin’ity fitondrana ity. Ny zava-bita ireharehana fa ny volan’olona ialana bala?
Toky R
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto