airtel

Fifamoivoizana

12-janv-2024

FANAMBOARANA NY LALANA RIP 34

Hiarahan’Ampitatafika sy Ambavahaditokana ny asa

Sample post image

Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook andro vitsivitsy lasa izay ny filazana fa

12-janv-2024

noraisin’ny kaominina Ambavahaditokana an-tanana ny fanamboarana ny RIP 34 ao Ankadilalana ao anatin’ny kaominina Ampitatafika raha tokony ity kaominina farany no hanamboatra izany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao ary fa hiarahan’ny kaominina roa tonta ny manamboatra io lalana io. Ny Ben’ny tananan’ Ambavahaditokana no nanolotra ilay kamiao iray lehibe manao ny asa, izay niaraka tamin’ny vatan-tenany mihitsy tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo raha efa nanolotra kamiao iray tahaka izany ihany koa ny kaominina Ampitatafika. Tsy mora ny manao zavatra hoy Randrianarivony Jocelyn , lefitra voalohan’ny Ben’ny tananan’Ampitatafika. Ny mampalahelo anefa hoy izy dia tena mora amin’ny olona sasany ny manome tsiny fa tsy mba manadihady akory indrindra fa ny fanapariahana izany amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Miantso ireny karazan’olona ireny mba hanao fanadihadiana araka izany ny tenany vao mamoaka vaovao. Raha araka ny fantatra moa dia mbola haharitra eo amin’ny 4 andro eo ho eo ny asa noho ny fanamboarana ilay tata-drano manakaiky ny lalana sy ny fanotorana izany amin’ny vato toy ny quartz.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fizotry ny asa !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap