airtel

Fifamoivoizana

11-août-2022

Fifamoivoizana

Fanamboarana ny RN44 Misy fiatoana fa tsisy solika…

Sample post image

Misy fiatoana ny fanamboarana ny “lot 2” any amin’ny RN44 mirefy 73km (PK60-PK133) mampitohy an’Amboasary sy Vohidiala, raha ny vaovao azo afak’omaly.

11-août-2022

Tsy fisiana solika no voalaza fa antony. Misy ny mpiasa nalefa niala sasatra na “congé forcé”, ka vitsy dia vitsy sisa no miasa. Miantraika amin’ny fanatanterahana fotodrafitrasa izany ny olana ara-tsolika izay efa ho roa herinandro no tsikaritra. Ny fanamboarana ny tetezana ao Ranofotsy sy ao avaratr'Amboasary ary eo anelanelan'Andranokobaka sy Andilanatoby no hany misy olona miasa saingy vitsy. Ireo milina vaventy na “engins” kosa mipetra-potsiny. Na izany aza, efa vita ny “terrassement” avy ao Amboasary ka hatrany Vohidiala, norarahana vato kely ny ampahan-dalana Andranokobaka-Andilanatoby, efa vita ihany koa ny “dallots”, ny tetezana kosa dia mbola vao manamboatra ry zareo: Ranofotsy Ambaniavaratra sy Ambaniatsimo, Ambodirano Andaingo ary ny ao Ambohidava, misy mpiasa manamboatra “Talweg” ihany koa any Ambohimena Gara, hoy ny fampitam-baovao. Tsara ny manamarika fa efa vita tanteraka ny “lot 1”mampitohy an'i Marovoay sy Amboasary mirefy 40km (PK 20 Pk 60). Ny lot 2 izay mirefy 73 km kosa mahatratra 47% ny fandroson'ny asa, ary manao ny ezaka rehetra ny orinasa CRBC hamitana izany alohan'ny volana jona 2023, araka ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana izay niara-nijery ny fizotry ny asa tamin-dRtoa Marie Chantal UWANYILIGIRA solontenan'ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara sy Andriamatoa Ziad NAKAT mpiara-miasa aminy ny 19 jolay teo. Asa izay ho paikadin’ny Fanjakana sy ny orinasa manao ny asa eo anatrehan’ny fotoam-pahavaratra izay miha manakaiky satria ahiana hisy fiantraikany be amin’ny làlana vao hatao ny rotsak’orana.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap