airtel

Fifamoivoizana

14-avril-2021

Fifamoivoizana

Fanarahamaso ny Taxibe Olona miisa 81 no tratra tsy nanao aron-tava

Sample post image

Manoloana ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 dia misy hatrany ny hetsika manokana hataon’ny Polisim-pirenena

14-avril-2021

 

 

 

 eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary avaradrano. Omaly talata 13 aprily hatramin’ny 12 ora atoandro ohatra dia fiara fitateram-bahoaka « taxibe » miisa 159 no nanaovana fanaraha-maso manokana mahakasika ny fanajana ny ireo fepetra fiarovana sy ny fanaovana ny aron-tava na aro vava orona. Tao anatin’izany dia olona miisa 81 no tratra tsy nanaja ny fanaovana aro vava-orona. Raha ny teo anivon’ireo CSP miisa 08 sy ny PPA miisa 04 eto an-drenivohitra dia nahatratra 43 ireo nampanaovina asa iraisana ho an’ny tombontsoan’ny daholobe. Teo anivon’ny CSP Alasora dia miisa 12 izany. Teo anivon’ny kaomisaria afovoany Avaradrano kosa indray dia taxibe miisa 10 tamin’ireo izay nanaovana fanaraha-maso no nahitana olona nanao aro vava-orona. Nasaina namita ny asa iraisana ho an’ny tombotsoan’ny daholobe arak’izany ireo olona 10 tratra. Ny teo anivon’ny kaomisaria afovoany Atsimondrano kosa dia taxibe miisa 14 no nahitana olona 16 tsy nanao aro vava-orona.

Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap