Zava-dehibe ho an’ny faritra Bongolava sy Melaky ny fahafantarana fa ho avy ny fanarenana ny lalampirenena RN1 Bis mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy maintirano izay mirefy 400 km.Efa tonga ao Toamasina mantsy ireo kamiao sy engins miisa 15 izay natao hamelomana sy hanamafisana ny Jenia miaramila.Halefa any Tsiroanomandindy ireo fitaovana mavesatra ireo, hanombohana ny asa fanokafana sy fanarenana ny RN1 bis mankany Maintirano.
Noho ny fahasimban’ny lalana sy ny tsy fisian’ny fanamboarana maharitra dia saika nanjary fahoriana ho an’ny mponina sy ny mpitatitra ny fivezivezena amin’iny faritra iny.Mandritry ny fotoam-pahavaratra, maro ireo fiara no mihitsoka an-dalana, tapaka ny fifamoivoizana, ary mitoka-monina tanteraka ny faritra sasany.Miakatra ny vidin’entana tara ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra ara-pambolena ary mihena ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’ny Faritra Melaky sy Bongolava.
Raha toa ka vita soamantsara io lalana io dia ho lasa 8 ka hatramin’ny 10 ora eo ny lalana Tsiroanomandidy – Maintirano raha toa ka andaniana 3 na 4 andro izany amin’izao fotoana.Mazava ho azy fa midangana izay tsy izy ny sara-dalana, 200 000 ariary izany ankehitriny ka mety hihena hatrany amin’ny antsasany io rehefa vita ny fanarenanany RN1 bis. Tsy maintsy hisy akony any amin’ny vidin’entana any Maintirano izany ka tombonana hisy fidinany hatrany aminny 20% ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toa ny vary, menaka, siramamy, ny kojakoja ilaina amin’ny fanorenana toa ny simenitra. Fa ny tena zava-dehibe dia ho mora kokoa ny mitatitra ny menaka mavesatra (huile lourde) vokarina ao Tsimiroro , hampihena amin’ny ampahany betsaka ny fandanian’ny jirama sy ireo orinasa lehibe mampiasa milina ny fiparitahan’io huile lourde io manerana ny nosy. Amin’izao fotoana mansty dia tena mbola manahirana ny mitatitra azy noho ilay lalana ratsy dia ratsy.
RTT