airtel

Fifamoivoizana

24-janv-2024

Fandaharana

Arolozan’ny fifamoivoizana

Sample post image

Maro no mitaky ny famerenana azy Manoloana ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana

24-janv-2024

eto Madagasikara dia maro amin’ireo mpanara-baovao ankehitriny no manoson-kevitra na mitaky mihitsy famerenana ny fandaharana Arolozan’ny fifamoivoizana na ALF. Fandaharana efa hatrany amin’ny taona 1990 tany izy io no tao amin’ny fahitalavim-pirenena na TVM. Sarimiaina fampahafantarana ny tokony atao rehefa mifamoivoy eny an’arabe eny na ho an’ny mpandeha tongotra io na ho an’ireo mampiasa fitaovam-pifamoivoizana. Ny 6 desambra 2023 no nampahafantatra farany ny minisiteran’ny fitaterana sy ny fampahafantarana ny toetry ny andro fa miverina indray ity fandaharana ity na eo anivon’ny televizionina nasionaly izany na eo anivon’ny pejy Facebook-n’ny minisitera saingy tsy fantatra mazava hoe isaky ny amin’ny firy ora na isaky ny inona? Najanona sahady ve ny tetikasa? Tena tsy misy fahafahana mamerina izany intsony tokoa ve, indrindra, amin’izao andron’ny fivoaran’ny tekinolojia izao? Tamin’izany fotoana aza nahavita tahaka ireny ka mainka moa fa 34 na 35 taona mahery aty aoriana?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap