airtel

Fifamoivoizana

17-nov-2025

Fanohizana ny fanamboarana ny RN7

Nilatsaka ny baiko hentitry ny Fanjakana

Sample post image

Nilatsaka ny toromariky ny Fanjakana

17-nov-2025

amin'ireo orinasa rehetra miandraikitra ny fanarenana ny Lalampirenena faha-7, mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Nanome baiko ho an'ireo orinasa tompon'ny asa hiverina avy hatrany hanohy ny asa, ny Minisitry ny Asa Vaventy Razafindrianarivo Henri Jacob. Raha hiverenana, nijanona tanteraka ny asa fanamboarana ny RN7 nandritra ny hetsi-bahoaka farany teo teto Madagasikara ary niala teny an-toerana mihitsy ireo orinasa miandraikitra ny asa. Maika ny Fanjakana teo aloha nanepaka ny tara na "goudron", kanefa ny asa nitarazoka. Nihitatra ny fahasimbana ary vao maika mampitombo ny fahapotehana ny firotsahan'ny orana. "Mila hafainganina ny asa, indrindra ny fanarenana ireo teboka tena mampijaly ny mpampiasa làlana, mba hanalana ny fahasahiranan’ny vahoaka", hoy ny toromariky ny minisitry ny asa vaventy izay nidina teny ifotony nijery ny fizotr'izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

afaka mandray fiaramanidina 100 isan'andro

Card image cap
28-avril-2026

Amboarina ny lalana ao amin'ny

Card image cap