airtel

Fifamoivoizana

18-juil-2022

Fifamoivoizana

Fiakaran’ny saran-dalana Tsy andrenesam-peo mihitsy minisitry ny fitaterana

Sample post image

Tankina tsy nandrenesam-peo ny minisitry ny fitaterana nanoloana ny fampiakarana saran-dalana nataon’ireo mpitatitra izay namarana iny herinandro iny.

18-juil-2022

Nampiakatra saran-dalana daholo ny fiara fitateram-bahoaka tamin'ity herinandro ity, hoy ny fitarainan’ireo mpandeha. Tsy nisy fampahafantarana, tsy nisy fampilazana mialoha fa vao maraina dia mitsena ny olona ny fiakaran'ny saran- dalana. Tsy misy saran-dalana tapa-dalana intsony. Ny sasany sady efa 800 Ariary ny sarany mbola misy seza volamena, mbola mitondra mitsangana, mbola tsy manaja mpandeha sy ny maro hafa. Gaboraraka be, hoy ny fanamarihana. Ny tena maha vinitra dia tsy mba ahenoan-teny mihitsy manoloana ny zava-misy ny minisitra tompon’andraikitra Atoa Ranjatoelina Rolland misahana ny fitaterana. Na dia fankaherezana sy fampandriana saina ny vahoaka fotsiny aza tsy ataony, hoy ny vazivazy zary… tezitr’ireo mpanjifa. Tena fiainam-bahoakaisan’andro anefa ny fitaterana rah any eto Antananarivo no resahina. Sa ve tsy navela niteny mihitsy ingahy minisitra izay tsapa ho nangingiana izany taorian’ny fifanandirany tamin-dRamatoa Rinah Rakotomanga noho ny raharaha Air Madagascar. Mahalala ny andraikiny manoloana ny zava-misy ve ireo ambara ho tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity sa tsia, hoy ny fanontaniana isany mipetraka ?
J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap