airtel

Fifamoivoizana

06-avril-2023

Fifamoivoizana

Fianakavian’ny maty voahitsaky ny kamiao

Sample post image

Miantso ilay saofera hanatona moramora

06-avril-2023

Nampita hafatra ry zareo fianakavian'ny maty voahitsaky ny kamiao teny Tsivatrinikamo, kaominin’Antsirabe, izay manoloana ny CECAM, fa izy ireo dia miangavy ny fahatsoram-pon’ilay saofera nandona ny havany mba hanatona ny mpitandro ny filaminana na hanatona ny fianakaviana. Marihanay etoana, hoy izy ireo, fa efa azon’izy ireo ny mombamomba ny kamiao nanitsahan’ity mpamily ity ny havan’izy ireo ka mba tsy hahasarotra ny raharaha dia mila manatona ilay mpamily. Santionany amin'ny mombamomba ny kamiaonao, hoy ny hafatra ; mpitatitra mampitohy an' Antsirabe, Belazao, Bemaha ka ny fiantombohan'ny laharan'ny fiaranao dia 95....... Averinay fianakaviana fa tsy ho sarotiny izahay raha mipoitra ianao. Ity ny laharana hifandraisanao aminay andriamatoa saofera dia ny 0349193037, hoy hatrany ny hafatra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap
21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap