Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalana hiakatra Sabotsy Namehana omaly. Fiara 4x4 iray marika Toyota hiakatra tao amin’ity tanana ity no nandeha mafy dia mafy rehefa mahazo ny lala-mahitsy ka nidofotra tamin’ny rindrin-tany. Vokany. zazalahikely iray vao roa taona monja no namoy ny ainy vokatry ny donamafy nahazo azy. Teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly ity farany no tsy avotra intsony na dia efa niezaka namonjy azy aza ireo nanatri-maso. Olona telo hafa ihany koa no naratra mafy ka anisan’izany ilay mpamily.
NISOTRO
Raha araka ny fantatra dia vokatry ny fandraisan’ilay mpamily zava-pisotro misy alikaola sy ny tsy fitandremana no nahatonga ny loza. Aorian’ny fitsaboana azy telo ireo moa dia hiroso amin'ny fanadihadiana lalina ny zandarimariam-pirenena ary tsy maintsy hisy ny fepetra hentitra horaisina. Manentana ny rehetra mba handà tsy hampitondra fiara na ho entin'ny mpamily efa hita fa mamo araka izany ny mpitandro ny filaminana.Matetika mantsy hoy izy ireo dia ny mpandeha tsy manan-tsiny hatrany no hiharan-doza fa ny mpamily tsy maintsy tafavoaka velona hatrany.
Pati
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto