Raha araka ny fantatra mantsy dia zaza amam-behivavy ny ankamaroan’ireo olona tao anatiny no sady nitondra razana havadika. Nambaran’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny Faritra Vakinankaratra fa indray mipi-maso monja no mety hisian'ny loza. Ny fiara mitondra mpamadika indray no sanatria hivadika, hoy izy ireo. Tsy natao hitondra olona mantsy ny kamiao benne hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo. Nasaina nitady fiara mifanaraka amin'ny fitaterana azy moa izy ireo. Rehefa olona no mandeha hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena dia fiara fitateran’olona no mitondra azy fa tsy fitateran’entana. Marihina moa fa zaza amam-behivavy avokoa no tao anatin’ity kamiao mpitatitra entana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay kamiao tratra nitondra olona nefa fitateran’entana
Nanapaka tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny RN2 eny Mandraka indray ilay fiara « camion »