airtel

Fifamoivoizana

08-avril-2021

Fifamoivoizana

Fiara fitateram-bahoaka Miverina ho 3 isaky ny laharana ny olona azon’ny minibus entina

Sample post image

Hentitra ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety Atoa Reribaky Jeannot omaly raha nanambara ny fepetra noraisin’izy ireo mikasika

08-avril-2021

 

 

ny fiarovana ny ain’ny mpandeha amin’ny fiara fitateram-bahoaka. Nambarany tamin’izany fa lasa miverina ho 3 isaky ny laharana ny olona azon’ireo fiara minibus entina raha 4 isaky ny laharana kosa ny an’ny sprinter. Ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina no voakasik’izany raha mbola afaka mandeha ihany koa ny miazo an’i Mahitsy, Manjakandriana aryAnjozorobe. Mikasika ireo olona hamonjy fodiana eto Analamanga mbola taraiky any an-dalana kosa ka voamarina tsara ao anaty Minofold ny fotoana nialany tany amin’ilay toerana dia mbola afaka miditra soa aman-tsara izy ireny raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT hatrany. Ho an’ny kamiao sy ny fiara fourgon mpitondra entana moa dia notsiahiviny fa afaka mandeha tsara izy ireny saingy tsy mihoatra ny olona 3 no ao anatiny dia ny mpamily sy ny mpanampy azy ary ny tompon’entana. Na izany aza hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia tsy mbola nisy ny saran-dalana niakatra.

Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap