lalampirenena faharoa telo andro lasa izay. Fiara tsy mataho-dàlana marika Rexton iray raha tsiahivina no nisy nahita lasa tao anaty rano. Tsy nisy hita kosa ireo tao anatiny, raha toa efa nakarin’ny olona kosa ilay fiara. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy ny fombafomba natao nentina nikarohana ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Omby iray no novonoina teny an-toerana, niarahana tamin’ireo zana-drano sy mpahay zavatra. Nipoitra omaly hariva tokony ho tamin'ny 4 ora teo ho eo vokatr’izany ny nofo mangatsiakan' Itompokovavy Suzana raha mbola andrasana kosa ireo telo ambiny dia ilay Egyptiana, vehivavy iray hafa ary ilay ny lehilahy iray mpamily io fiara io. Vao 23 taona monja ny tovovavy raha araka ny fantatra, isan’ireo natelin’ny rano niaraka tamin’ireo namany tao anatin’ilay fiara Rexton nentin’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity Ratompokovavy fony fahavelony !
Efa vita 100% ny fotodrafitrasa etsy Ivandry, toerana fiantsonana lehibe indrindra,
Namono olona indray ny moto na kodiaran-droa omaly alakamisy 06 Febroary teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka.