airtel

Fifamoivoizana

21-juin-2023

Fifamoivoizana

Fiara nandona andrin-jiro teny Ankorahotra

Sample post image

Olona 2 maty teo noho eo, iray hafa maty teny an-dalana

21-juin-2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina afak’omaly 19 Jona tokony ho tamin'ny 10 ora sy 25 mn alina teny Ankorahotra. Fiara Toyota minibus nandeha mafy avy any Tsiadana nizotra nihazo an'Ankorahotra no fantatra fa nandona andrin-jiron'ny Jirama iray. Vokany, lehilahy roa 21 sy 28 taona, mpandeha tao anatin'ilay fiara no maty teo noho eo; vehivavy iray 22 taona kosa no namoy ny ainy nandritra ny fitondrana azy ho any amin'ny hopitaly. Ny mpamily sy ireo mpandeha 03 hafa kosa dia naratra mafy ary efa noentina notsaboina eny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha haingana. Mbola tsy nahatsiaro tena moa ilay mpamily tamin'ny fotoana nahatongavany teny amin'ny hopitaly ary mbola tsy nahazoana vaovao hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap
21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap