tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Fiara tsy mataho-dalana tra-doza Mpirahalahy iray tampoa no indray namoy ny ainy

Fiara tsy mataho-dalana iray no tra-doza tany an-tampon-tananan’Ampanihy omaly hariva tokony ho tamin’ny 04 ora teo ho eo.

08-févr-2023

Sample post image

Olona mihoatra ny 3 no voalaza fa tao anatin’io fiara io ka anisan’izany ireo roalahy iray tampo namoy ny ainy izay mbola voalaza ihany koa fa zanaky ny tompon’ity fiara ity. Tsy voafaritra mazava moa na nandeha mafy loatra na vokatry ny olana ara-teknika no nahatonga ity fiara ity tra-doza. Potika tanteraka kosa anefa ny lohan’ilay fiara raha niala ihany koa ny kodiarany aoriana izay manaporofo fa mafy ny vaika natrehiny. Manodidina ny 20 taona eo ho eo moa izy roalahy ireto raha misy izay efa noezahina nentina teny amin’ny hopitaly ihany saingy tsy tana ny ainy. Miantso ny mpampiasa lalana rehetra mba ho mailo araka izany ny tompon’andraikitra fa lahy tokana ny aina. Tsy tokony handeha mafy ny mpamily, tsy tokony hisotrosotro ihany koa ary hitandro hatrany ny ain’ireo olona entiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus