airtel

Fifamoivoizana

19-févr-2024

FIFAMOIVOIZANA MIANAVARATRA

Nisy fiatoana omaly vokatry ny haratsian-dalana

Sample post image

Niato noho ny haratsian-dalana eo Ampampamena,

19-févr-2024

08 Km tsy hidirana ny tanànan’i Mampikony omaly raha avy any Avaratra ny fifamoivoizana hiazo an’Antananarivo. Vokatry ny haratsian-dalana ateraky ny ora-mikija tato ho ato no antony mahatonga izany. Efa ho ora roa omaly no nihitsoka teo amin’io tanana io ny fiara rehetra. Nanampy trotraka izany ny fisian’ny kamiao lehibe iray nibahan-dalana teo Mampikony raha avy any atsimo hoy ny vaovao. Tsy maintsy nandoavam-bola 5 000Ar isan’olona ny fibatana io kamiao io noho izany vao nalalaka ny lalana. Notsindrian’ireo mpampiasa lalana moa fa na avy any atsimo na avy any avaratra dia tsy misy azo raisina ny lalam-pirenena fahaenina mampitohy an’Ambondromamy sy Antsohihy ka tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana maika. Olona an’arivony isan’andro mantsy no mivelona sy mamelona ny ankohonany amin’ny fampiasana iny lalana iny.
Pati
Legende : Tahaka izao ny haratsian-dalana any amin’ny RN 6 !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap