airtel

Fifamoivoizana

15-févr-2023

Fifamoivoizana

Fifandraisana amin’i Afrika Atsimo Niverina ny sidina fa mba ahoana ilay volamena ?

Sample post image

Taorian’ny 3 taona niatoan’ny sidina Antananarivo-Johannesbourg, niverina nanomboka ny 30 janoary ny sidin’ny kaompania Airlink raha ny fampahafantarana niparitaka,

15-févr-2023

ka sidina iray isan-kerinandro isaky ny alatsinainy no niantombohany. Nanomboka omaly 14 febroary kosa, niakatra ho sidina telo isan-kerinandro ka isaky ny talata, alakamisy, ary alahady. Fiaramanidina Embraer 170 afaka mitondra mpandeha 6 ao amin’ny “classe affaires” ary 68 ao amin’ny “classe economie” no manatanteraka ny sidina. Notsipihin’ny Airlink tao amin’ny fampitam-baovaony, fa hojerena ny vahaolana mifandraika aminy amin’io sidina andavanan’andro io raha toa ka miakatra ny tinadin’ny mpanjifa. Maneho rahateo io kaompanio io, fa Antananarivo amin’ny maha Renivohitr’I Madagasikara azy dia ivo ihodinan’ny raharaha ara-toekarena sy ara-barotra. Nambara fa ny fiverenan’ny sidina Antananarivo-Johannesburg, dia ahafahana mamerina ny fifandraisana an’habakabakabaka, izay rohy ara-toekarena, ara-barotra, izay tena manan-danja be eo amin’ny firenena roa tonta. Tsiahivina fa isan’ny nampitsahatra ny sidina ny covid-19, saingy heverina ihany koa fa noho ny raharaha volamena 73,5 kg tratra tany Afrika Atsimo ny desambra 2020. Nalaza fa nitaky sy nanenjana amin’ny hamarenana an’io ny Fanjakana ho tambin’ny fanokafana ny habakabaka amin’I Afrika Atsimo, kanefa toa ts nahitta rariny. Marihina mantsy fa na efa nisokatra hatry ny ela ny sidina tamin’ny firenena maro, dia mbola niato kosa ny tamin’I Afrika Atsimo. Nilamina ny fifanarahana momba ny sidina matoa niverina, ary tsy afaka hanao ankivy maharitra ny ara-barotra sy ara-toekarena ny fitondrana Malagasy indrindra eo anatrehan’izao efa fahantrana sy fahasahiranana izao. Fa manao ahoana kosa na izany aza ny tohin’ilay volamena nampanantenaina fa tsy maintsy ho tafaverina sa fampanantenana poakaty tahaka ny velirano maro tsy tanteraka ihany ka tsy dia misy olana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap