airtel

Fifamoivoizana

26-mai-2025

MPAMPIANATRA FIARAKODIA

Tena fositra ny tsy fifehezana ny « code de la route »

Sample post image

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

26-mai-2025

Lohalaharana amin'izany ny kodiaran-droa izay saika misy aina hafoy hatrany. Raha araka ny fanazavan'ny mpampianatra mamily fiarakodia iray dia vokatry ny tsy fahafehezana ny lalan'ny fifamoivoizana na ny code de la route no mahatonga izany. Ho an'ireo efa nahazo ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia efa ela dia mihevitra ny tenany ho efa zatra izy ireny ka lasa sahisahy, raha araka ny fanazavany. Mandeha mafy ihany koa ary lasa tafiditra anaty routine. Mila tadidiana hatrany anefa ny fianarana noratovina tany amin'ny auto école hoy hatrany ity mpampianatra iray ity. Nomarihiny manokana moa fa mila havaozina hatrany ny fahalalana hanana mba tsy hitera-doza.
Pati
Légende : Tokony hahafehy ny lalan'ny fifamoivoizana ny mpamily rehetra !
 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Raikitra ny fanapahan-dalana nanomboka omaly ho an’ny eto Antananarivo renivohitra

Card image cap
19-juin-2025

Lehilahy iray no namoy ny ainy teo noho eo voahitsaky ny fiaran-dalamby

Card image cap