airtel

Fifamoivoizana

27-juil-2026

Fiarakodia sy fifamoivoizana

Omena 5 andro ireo mampiasa

Sample post image

Jiro mamono maso

27-juil-2026

Nanao fampahafantarana manokana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia na ny DGSR momba ny fandraràna ny fampiasana ireo karazana jiro tsy manara-dalàna amin’ny fiara sy kodiarandroa. Araka ny fanazavana nataon’ny Chef d’escadron Rakotondramanana Jacques Didier, lehiben’ny sampan-draharaha serasera, dia voararan’ny lalàna ny fametrahana sy fampiasana ireo jiro tsy mifanaraka amin’ny fenitra ara-teknika satria miteraka fahajambena sy lozam-pifamoivoizana eny an-dalambe. Mamaritra izany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dalambe LF 2017-002 tamin’ny 06 jolay 2017, ny didim-panjakana fampiharana LF 2026-974 tamin’ny 23 aprily 2026, ny didim-panjakana laharana 93-894 momba ny jiro amin’ny fiara, ny didim-pitondrana laharana 1177 tamin’ny 23 marsa 1971, ary ny tenimita LF 005–MTM/SG/DGTT/DSPAR/2023 tamin’ny 28 aogositra 2023 izay manamafy ny fandraràna ny fampiasana ireo jiro tsy manaraka ny lalàna. Nanamafy ihany koa ny Lietna-kolonely Rakotomampianina Rija Alberto, lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fitsirihana tampoka, fa ireo karazana jiro « LED » na « lampes stroboscopiques » izay tsy avy amin’ny mpanamboatra fiara dia tsy azo ampiasaina mihitsy. Tafiditra amin’izany ny jiro projecteur aorian’ny kamio, ny anti-brouillard, ary ireo jiro mipipika sy manjelanjelatra izay manimba maso sy mitera-doza. Na dia ara-dalàna aza ny jiro rehefa atao fitsirihana ara-teknika eny amin’ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia, dia hita fa maro ireo mpampiasa fiara mamerina mametaka indray ireo jiro mahajambena rehefa avy eo. Noho izany, omena fe-potoana 5 andro ny mpampiasa fiara sy kodiaran-droa hanala ireo jiro tsy manara-dalàna, hoy ny fampahafantarana ny faran’ny herinandro teo. Raha tsy manaraka izany dia hisy fanasaziana sy fisavana hentitra eny an-dalana. Amin’izao vanim-potoanan’ny fialantsasatry ny mpianatra izao, dia entanina ny rehetra hanamafy ny fitondran-tena mendrika, ny fitandremana sy ny fahamailona, ary ny fifandeferana eny an-dalambe. Zava-dehibe ny fikojakojana ara-mekanika sy ara-teknika ny fiara ary ny fampiasana fitaovam-piarovana rehetra. Ny fanarahana ny lalàna dia mariky ny fifanajana sy antoky ny filaminana, ary manampy amin’ny fampihenana ny loza. Araka ny fanambarana, “lahitokana ny aina”, ka samy tokony handray andraikitra ny mpampiasa lalana sy ny mpandrindra ny fifamoivoizana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

75% amin’ny fiara maherin’ny 20 taona,

Card image cap
27-juil-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana

Card image cap