tokony hihevitra ho tsy « priorité » foana ny moto»
Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina eto Madagasikara, ka isan’ny tena saropady ny kodiaran-droa na ny « moto» izay sokajiana foana hoe : « carrosserie » vatana izanyhoe : marefo kokoa ny fiarovana ny olona mampiasa azy. Nampihorin-koditra ohatra, ilay tranga tao Tanandava, akaikin’ny tetezana sy ny fiolahana Ambatovy any Toamasina ny sabotsy teo, izay nisiana olona roa, izay fantatra fa mpivady, namoy ny ainy nandritra ity loza ity. Nandeha moto izy ireo no tra-doza ka tsy tana intsony ny ainy. Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny antony nahatonga ny loza, saingy misy ny tombatombana fa nianjera avy eo voahozin’ny kamio ny lohan’izy ireo ka nipotsaka tanteraka ny betro. Tena nampivarahontsana sy nahonena na ireo namoy ny ainy, na ny fahoriana ho an’ny ankohonana sy ny fianankaviana. Ampahany ireny, fa tena mitombo ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina eto Madagasikara, izay betsaka no hamoizana ain’olona. Ny tatitra ofisialy ny aprily 2026 teo ohatra, dia namoaka ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena fa tamin’ny taona 2025, ny tatitra fa nisy ny naratra tamin’ny taona 2025, ary 2.249 nandritra ny fe-potoana 2023–2025. Ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nanamarika fa 178 olona no maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny 2025. Ny « moto » sy « lozam-pifamoivoizana 2.343 teto Analamanga ary 1.183 tany amin’ny faritra hafa. Nisy olona 154 maty tamin’ireo loza ireo, raha 131 no maty tamin’ny 2024. Nahatratra 1.357 tricycles » dia nahitana loza 183. Mila ho isan’andro no handrenesana lozam-pifamoivoizana mahakasika motos ankehitriny, ary betsaka ny maty na maratra mafy. Naneho ny Kolonely RAKOTOMAMPIANINA Rija Alberto tompon’andraikitry ny DGSR ny 14 jolay teo, tao anatin’ny fampahafantarana ny « Salon des motos » andiany fahatelo, tontosa ny 23-24-25 jolay teo, fa asan’izy ireo ny manao ny fandraisana sy fitsirihana ara-teknika ara-potoana, misoroka mialoha ny loza amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ampianarana. Ny tena tanjona dia ny fampihenana ny loza vokatry ny olana ara-teknika rehetra, ny fampihenana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampiasana ny làlana na ara-taratasy na ara-teknika, fanatsarana ny tontolon’ny fiarakodia. « Tsy misy lalàna milaza fa tsy azo ampiasaina ny fiara antitra, kanefa ny 75% amin’ny fiara miasa dia mihoatra ny 20 taona », hoy i Kolonely RAKOTOMAMPIANINA Rija Alberto.
TOKONY HAMETRAKA AO AN-TSAINA NY MPITONDRA « MOTOS » FA TSY MANANA « PRIORITE »
Teboka 4 lehibe no noresahany rehefa mikasika ny kodiaran-droa, dia ny fitandremana izay misy lalàna roa dia ny alàna mandidy (manery ny mpampiasa kodiaran-droa hanao ny tokony hatao sy tsy hanao ny tokony hatao ; ny fahamailoana mandrakariva ka mila atao folo ny maso satria tsy hay hoe avy aiza no mety hiavian’ny loza ; fandeferana lalandava. « Ny kodiaran-droa dia tokony hametraka ao an-tsaina mandrakariva hoe tsy manana « priorité ». Tsy manana izay « priorité » izay ianao rehefa mitaingina kodiaran-droa satria ny loza dia tsy ampoizina satria ny 1 segaondra tsy andeferanao no mety hanaovana veloma ny tany », hoy i Kolonely Rija.
TOKONY HANANA «IMMATRICULATION » NY MIHOATRA NY 50CC
Teboka fahaefatra ny fanaovana ny aro-vatana izay efa fiarovana ny loza. Araka ny voalazan’ny didim-pitondrana na ny arrêté laharana 1179 tamin’ny 26 martsa 1971 izay mbola manan-kery hatreto mikasika ny laharan’ny fiarakodia dia tokony hatao fandraisana teknika ny fiara manana haben’ny maotera 50CC noho mihoatra, ary tokony hanana « immatriculation ». Samy mahita anefa isika fa tsy voahaja ka fanentanana no ataon’ny DGSR, ary be dia ny tombotsoa avy amin’izany, hoy ity tompon’andraikitra ity. Hiova ihany koa moa ny lalàna, fa ny kodiaran-droa rehetra ato ho ato dia tsy maintsy hampiasa an’izay « immatriculation » izay ka ny tanjona dia ny hametraka fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fampidirana ny fiarakodia rehetra ao anatin’ny angon-tahiry na « base des données nationales », hoy hatrany ny Kolonely Kolonely Rija DGSR RAKOTOMAMPIANINA Rija Alberto.
Toky R