mpanara-baovao nandia iny lalam-pirenena fahafito na RN 7 iny ny sabotsy teo, dia misy tahaka izay koa eny Ampitatafika, lalana mankany Antsirabe. Ilay mpiasa miasa ao, hoy ny tekinisianina momba ny asa vaventy sendra nandalo, manao aroloha sy aronakanjo soamantsara fa ny kiraro fiarovana na «chaussure de sécurité» no tsy nampanamboatra angamba ilay sinoa. Ny «panneau» na takelaby filazàna mombamomba ny asa moa dia tsy misy na iray santimetatra aza mba hahalalanay vahoaka hoe rahoviana no mifarana ny asa, hoy izy. Rehefa nanontany olona teny dia hoe mbola amin’ny martsa 2026 any izy io vao vita, hoy ihany ny tenany, sady nampita an-tsary ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana vokatr’izany asa fanamboaran-dalana atoandro be nanahary izany. Efa fantatra hatramin’izay fa miteraka fitohanana izay tsy izy fa mbola tohizan’ireo tomponandraikitra ihany moa izany rehetra izany.
Nangonin’i J. Mirija
Raikitra ny fanapahan-dalana nanomboka omaly ho an’ny eto Antananarivo renivohitra
Lehilahy iray no namoy ny ainy teo noho eo voahitsaky ny fiaran-dalamby