tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Fikatsoan’ny fifamoivoizana teny Anosizato Nisy namaha ny « sellette »n’ilay kamiao, hoy ny mpamily azy

Naiditra « fourrière » mandritra ny 10 andro raha araka ny loharanom-baovao azo ilay fiara lehibe nibahana tetsy Anosizato omaly maraina nanomboka tamin’ny 08 ora.

09-mars-2023

Sample post image

Raha araka ny fantatra dia tokony handeha hiazo ny lalam-pirenena faharoa any Toamasina ity fiarabe ity no simba tampoka. Nisy namaha ny seletin’ilay fiara hoy ny mpamiliny ka tsy afa-nanoatra izy sy ny mpanampy azy ; izay no nahatonga ilay vatabeny mibaby ny « remorque » tsy voafehy intsony lasa nibahan-dalana. Naharitra ora telo teo ho eo ny fitohanana vokatr’izany izay efa tena lava dia lava tokoa. Lasa niodina tany Itaosy nivoaka an’Anosimasina ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana noho izany. Ny Taxi be mampitohy an’Anosy sy Fenoarivo ohatra dia nandray ny digin’Anosipatrana rehefa tafavoaka avy any Anosibe dia miditra an’Ampasika dia miodina indray any avarabohitra Itaosy izay vao miakatra an’Ampitatafika.Tsy nifankahitana ny fitohanan’ny fiara tamin’ny lalana rehetra mifandray amin’Itaosy sy Avarabohitra ary Ampitatafika omaly maraina tontolo. Maro ireo nisafidy ny nadeha an-tongotra, nisy indray ireo voatery nandeha lakana niampita mihitsy ka nahatratra 400 Ar ny saran-dalan’ny olona iray raha 200 Ar izany teo aloha. Niely mihitsy moa ny feo tamin’io andron’ny omaly io fa nianjera ny tetezan’Anosizato, antony niteraka fikoropahana, izay vao miha nampikorontana sy nampitombo ny fitohanana ka nanosika ny ministeran’ny asa vaventy hijery akaiky ny zava-nisy marina.Tsy nisy tetezana tapaka na nihotsaka izany fa ilay fiarabe nibahana no nahatonga ny fitohanana.
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus