Ireto avy izy ireo : Madagascar Airlines (Antananarivo / Paris / Saint-Denis); Air France (Paris / Antananarivo); Air Mauritus (Port-Louis / Antananarivo) ; Air Austral (Saint-Denis / Nosy Be / Toamasina / Taolagnaro / Toliara) ; Ethiopian Airlines (Addis Abeba / Antananarivo / Nosy Be) ; Turkish Airlines (Istanbul / Antananarivo); Kenya Airways (Nairobi / Antananarivo) ; NEOS Air (Milan / Nosy Be / Mahajanga / Antsiranana); Ewa Air (Dzaoudzi). Raha raisina amin’io, mba efa azo lazaina ho misokatra tanteraka amin’izao tontolo izao ny lanitr’i Madagasikara taorian’ny fikatonana noho ny valanaretina covid-10. Isan’ny miteraka tombony ara-pizahantany ny fisokafan’ny lanitra sy ny fahatongavan’ny vahiny. Mbola lavitr’ezaka anefa ny fanarenana raha ny ambaran’ireo mpisehatra ara-pizahan-tany. Voalaza mantsy fa nampiditra 3,360 tapitrisa dolara ny fizahantany nialohan’ny fikatonana talohan’ny nidiran’ny covid-19, raha ny tatitry ny mpisehatra ara-pizahantany omaly. Tsy mbola tratra anefa io hatramin’izao, ary tsy mbola manana politika ara-pizahantany tena milamina I Madagasikara, tsy misy afatsy ny tsenaben’ny fizahantany. Any amin’ny 4 taona aza vao mety ho voaarina no ny fandalovan’ny krizy, raha ny fanamarihana. Tsara ny manamarika, fa 300 000 isan-taona eo ho eo ny mpizahatany tonga eto amintsika amin’izao, izany hoe: raha kajiana tsotra ho mampiditra 1000 dolara isan’olona ohatra, dia 300 000 000 dolara, raha toa ka 3 tapitrisa isan-taona ny atsy Maorisy.
Toky R
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.