airtel

Fifamoivoizana

23-janv-2026

Fitateram-bahoaka

Miha lasa fahazarana ny gaboraraka

Sample post image

Maraina mandra-paharivan’ny

23-janv-2026

andro amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao teto Antananarivo renivohitra, no miha lasa fahazarana ny gaboraraka afitsok’ireo fitateram-bahoaka na taksibe, hoy isika. Eo ny tsy fanajàna ny zotra tokony ho arahana na ny «cahier de charge», izay efa nampitaraina mpandeha maro hatramin’izay fa tsy vitan’ny amin’ny andro hariva intsony amin’izao fotoana izao no hanatanterahan’ireo mpitatitra izany fomba ratsiny izany fa na amin’ny andro maraina sy atoandro be nanahary aza. Vantany vao mahita fitohanana ireo mpamily dia mivily lalana. Ny tsy fanajàna mpandeha isan-karazany moa tsy lazaina intsony. Ny fanariana an-dalana ihany koa, indrindra, rehefa hariva ny andro. Andrasana, araka izany, ny fanaraha-maso hentitra avy amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny tontolon’ny fitaterana, indrindra, eto an-drenivohitra izay, hoy hatrany ireo fitarainana voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap