airtel

Fifamoivoizana

09-août-2021

Fifamoivoizana

Fitateram-bahoaka Sao dia tokony averina ilay fanofanana mpamily sy resevera ?

Sample post image

Matetika no handrenesana lozam-pifamoivoizana ka tafiditra ao anatin’izany ireo fiara fitateram-bahoaka dia ny Taksibrosy sy Taksibe.Ity farany no andeha ho resahana.

09-août-2021

Inona no antony marina ? Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny tsy fanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana, ny fandehanana mafy ary ny olana ara-teknika no antony.Tsy dia tena hoe noho ny fiara izany no mahatonga ny loza fa noho ny olombelona mitondra azy, Antananarivo renivohitra sy ny manodidina aloha no resaka eto.Isan’andro : maraina mandra-pilentiky ny masoandro, na aiza na aiza eto Antananarivo dia ahitana Taksibe mifanenjika, mifampisongona, manenjika “tour”…Lasa fototry ny fifanolanana amin’ny mpandeha sy ny mpamily ary ny resevera io fandehanana mitrifana io, rehefa tonga ny loza avy eo vaky mandositra ny mpamily fa hoe matahotra fitsaram-bahoaka.Anton’ilay fandehanana mafy sy fifanenjehana ny mba hahavitana mandroso – miverina (tour) sy hahafana mitatitra olona betsaka kokoa hatrany.Mitombo ny vola miditra avy eo , dia mazava be fa feno ny versement takian’ny Patron no sady mitondra mody ny mpamily sy ny resevera.Misy aza rehefa mahita hoe milamina ny versement sy atao am-paosy dia mijanona miasa na dia vao amin’ny 5 ora sy sy sasany hariva aza ka milaza hoe : “aleo mila fa ambotaka be io ve no hihafiana eto”.Tsy misy mihitsy ve izany fanajana sy fitsinjovana ny mpandeha (mpanjifa) izay mandoa vola fa tsy hoe mitaingim-potsiny fa dia mifantoka betsaka amin’ny fitadiavam-bola ilay asa ? Avy eo rehefa misy loza ao ny maratra, maty ary samba ny fananana. Sao dia tokony averina ary atao isaky ny fe-potoana mazava tsara ilay fanofanana ny mpamily sy resevera sao tsy fantatr’izy ireo akory ny atao hoe bokin’andraikitra sy ny hoe fiara fitateram-bahoaka izy ireo ? Mila faritana mazava ny andraikitry ny koperativa fa tsy hoe mitaky latsakemboka fotsiny, mbola eo ny ATT sy ny ministeran’ny fitaterana.Ny rafitra dia misy fa ny fampiasana azy foana no olana eto.Feno prezda eraky ny tanàna saingy mikorontana hatrany ny fiarahamonina satria tsy mipetraka ny fifanajana sy ny fifanampiana fa toa samy mitady ho azy fotsiny , ka lasa tsy mirindra ny fiainam-piarahamonina fa dia samy mandeha samy mitady e.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap