airtel

Fifamoivoizana

21-mars-2023

Fifamoivoizana

Fitaterana an-tariby na teleferika Eo an-dalam-panomanana ireo andry lehibe

Sample post image

Voahaja ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny fitaterana an-tariby na teleferika, zotra “ligne orange” mampitohy an’Anosy, Soarano, Ankorondrano, Analamahitsy ary Ambatobe,

21-mars-2023

hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny sekreteriam-panjakana misahana ny tanana vaovao sy toeram-ponenana omaly. Taorian’ny fe-potoana famenoana ireo fepetra sy fanomanana tsy maintsy notanterahina dia miroso ny asa ho an’ny fiantsonana na “station” Anosy izay eo am-panaovana ireo fototra lalina na “pieux” ary ny fanamafisana ny moron’ny farihin’Anosy amin’izao fotoana izao. Afaka fotoana fohy dia hiroso amin’ny asa fanorenana miakatra. Eo an-dalam-panomanana ny fametrahana ireo andry lehibe na “pylons” miisa 7 manelanelana ny fiantsonana miisa 2 dia Anosy sy Soarano ary hanomboka ihany koa ny asa ao amin’ny fiantsonana Soarano na Madarail. Mitohy ny fampahafantarana sy fihaonana manokana amin’ireo rehetra voakasiky ny tetikasa ho famaliana ireo fanontaniana sy ahiahy mety mbola mipetraka. Nisy omaly alatsinainy ny fitsidihana ny fandrosoan'ny asa eo Anosy nataon'ny SENVH na Sekreteram-panjakana tanàna vaovao sy toeram-ponenana sy ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo na CUA izay mpiara miasa sady mpisitraka ny tetikasa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap