Ny kaompania Air Madagascar moa efa hain’ny mpanara-baovao malagasy loatra ny tantarany. Nahatonga ireo mpahaitoekarena sasany toa an-dry Serge Zafimahova nanome vahaolana heveriny fa tsy azo ihodivirana intsony mihitsy tamin’ny fotoan’androny dia ny hoe “tokony hanao fanambarana fa banky ropotra ny Air Madagascar”. Ankehitriny dia io indray ny Madagascar Airlines. Tratry ny olana tekinika ny alin’ny 16 janoary teo izao ny zotra MD051 mampitohy an’I Paris Charles De Gaulle sy Antananarivo. Asa indray atsy ho atsy hoe hanao ahoana no hiafaran’ity zotra ity ?
J. Mirija
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.