airtel

Fifamoivoizana

29-janv-2024

Fitaterana an’habakakabaka

Hanatanteraka sidina eto Madagasikara ny Qatar Airways

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifanaovan-tsoniam-pipanarahana

29-janv-2024

tapahany voalohany izay mamaritra ny endrika tekinika ny fifanarahana eo amin'i Qatar sy Madagasikara amin'ny lafiny fitrandrahana an'habakabaka. Hanatanteraka sidina eto Madagasikara ny Kaompania Qatar Airways, ka sidina 7 isan-kerinandro no kasain'ny Qatar Airways hotanterahana amin'izany. Isan’ny orinasam-pitaterana matanjaka indrindra eto an-tany ny Qatar Airways manana ny foibeny any Doha, ary mampifandray amin'ny firenena maherin'ny 170. Tamin'ity taona ity, ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Hamad izay azy, dia nolanian'ny Skytrax ho seranam-piaramanidina faharoa tsara indrindra eran-tany raha voalohany ny 2021 sy 2022, ary nahazo ny « Aéroport » tsara indrindra any Afovoany Atsinanana' in-tsivy misesy, ary koa ny fiantsenana amin'ny seranam-piaramanidina tsara indrindra eran-tany. Midika fa isan’ireo kaompania matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany ny Qatar Airways. Ny antsika kosa nitolefika noho ny tsy fahaiza-mitantana ka novonoina tantertaka ny Air Madagascar izay isan’ny nanana ny naha izy azy taty Afrika fahiny. Mikasa ny hampivelatra hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fisokafana amin'ny kaompanim-pitaterana mpitrandraka matanjaka avy amina firenen-kafa ihany koa ny fanjakana Malagasy hitsinjovana ny fampivoarana sy hahatrarana ilay vina amin'ny fandraisana mpizahantany miisa iray tapitrisa ato anatin'ny 5 taona, hoy kosa ny mpitondra Malagasy. Manoloana io tetikasa hisidinan’ny Qatar Airways io, manao fitadiavana mpiasa Malagasy io Kaompania io, izay azo jerena amin’ny tranonkalany https://careers.qatarairways.com/ ny andinindininy, fa amin’ny ankampobeny, dia 21 taona farafahakeliny, mahatratra 212 sm ny halavan'ny takaty ny tanana, manana taratasy marimpahaizana ambony, mahefy ny teny anglisy am-bava sy an-tsoratra, vonona hifindra any Doha,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap